Présentation

Calendrier

Mai 2012
L M M J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
<< < > >>

Recherche

Mardi 27 juillet 2010 2 27 /07 /Juil /2010 05:06

Hafahafa kely ity fomba iray ity, satria raha halana mpitondra fivavahana ao amin’ny fiangonana dia mila vatan-dehilahy. Nivadika ahoana tokoa ity tanin-tsika ity ? . Vatan-dehilahy mantanjaka mi-isa 30 avy aty Diego, Ambilobe, Nosy be ary avy any amin’ny faritrin’ny SAVA no nanandeha tany Ambanja nanafika ny fiangonana Jesosy Mamonjy. Samy olona mpino avy amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy ireo olona ireo. Ny antony, arakin’ny loharanom-baovao dia ny zavatra mbola misy fifandraisana amin’ny disadisa misy ao anatiny fiangonana hatramin’izay. Miainga avy any amin’ny foibe miantefa aty amin’ny rantsan-piangonana mandinika. Tonga izy ireo tamin’ny fotoam-pivavahana tamin’ny alahady maraina (25 jolay. Hoy ireo nahita maso, tsy nisy zavatra nataon’izy ireo hafa tsy ny namelatra banderole teo alohan’ny fiangonana. Ny banderole dia misoratra ny fialany Pasteur ao amin’io fiangonana io. Arakin’ny loaranom-baovao ihany dia efa fantatriny Pasteur tao io zavatra handalo io ka efa nametraka fitoriana tany amin’ny komisaria ny polisy nampadalovina tao amin’ny kominy ny taratasy. Nanazava ny taratasy fitoriana tamin’izay hoe dia noho ny tsy fisiany rafitra toy ny college des Pasteurs sy ny CA eo anivony fiangonana foibe dia tsy misy olona tokony hanala azy eo. Tsy nandray baiko avy tamin’ny foibe izy tamin’izay ka nifara tamin’ny fanalana azy amin’ny fomba hafahafa io. Rehefa tonga ny mpanao gazety naharè ireo banderole mivelatra tao amin’ny fiangonana io nesorin’izy ireo moramora sady niditra tao ampiagonana izy ireo nivavaka. Tsy nisy ninoninona avy teo.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Dimanche 25 juillet 2010 7 25 /07 /Juil /2010 18:53

Voaktrin’ity fifanejehana amin’ny asa-fanaova-gazety ity rehefa nanaraka ny toerana misy any ingahy PM Cimille Vital dia samy nametraka ny fiarany sy ny motony teo amin’ny sisin-dalany tranon’ny DG ny secren tetsy la glacière izy ireo. Tsy olana loatra ny ny hoe tsy parking na parking fa tena tsy zaka dia ny fifazavazana tsy maha olony lalàna azy no natao ity zandaro mpamily ity. Nanisik’ireto mpanao gazety ny moton’izy ireo teo amin’ny toerana nalalaka anoloany fiarany. Tsy zavatra noheverina tokony haneligelina ny firany ireo moto ireo satria saiky nahazo any amin’ny trottoir ny lalana. Nisendroatra avy hatrany ny ilay zandaro mpamily fa mila esorina eo anoloany fiarany ireo moto scooter roa, fa raha tsy izany dia diaviny. Tsy naniky ireo mpanao gazety ka refotra ny fifamaliana. Zaho tsy mijery anao, handrasako anao, aiza tsy hahatratrarako anao, sns. Eto tsy mila lalana ny fifamoizovoizana izany. Kely sisa saiky hamoka basy arakiny hita tamin’ny fihetsiny. Inona loatra no antony izany ?.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Dimanche 25 juillet 2010 7 25 /07 /Juil /2010 18:49

Fanotaniana saro-baliana hoan’olo-drehetra eto Diego ny hoe “efa firy taona nanofan-trano ny police judiciaire ? Namaly io fanotaniana io ny ray aman-dreny iray efa misotro ronono hoe, zaho koa efa nisy jery, efa tery ambany place kabary ny birao-dreo. Olona, efatra , dimy enina, mitovy ihany ny valiny. Midika izany fa rehefa najoro io sampan-draharahan’ny polisy io dia efa nanofa trano. Oviana ? nanomboka tamin’ny fahaleovan-tena, 50 taona izany. Nanomboka tamin’ny fanjanahan-tany, nampetrak’ireo frantsay ? tsy izany loatra no tiana hambara fa ny hoe maninona vao izao no nisy ny fanampaha-kevitra fa tokony ho hanana trano hoazy amin’izay ny polisy. Midika izany fa tsy nanana fanampaha-evitra ara-politika ny tompon’andraikitra politika teto hatramin’izay fa nametraka zavatra izao tsy laharam-pahamehana. Tsy fantatr’izy ireo mihitsiny angamba ny zavatra mahasoa ny vahoaka fa mifanohitra amin’izay no betsaka dia ny mahasoa azy. Milaza amin’izay aty afara rehefa mila seza, tsy hitan’ny fanjakana ny faritr’isika, mitongilana ny fampandrosoana, madroso ny faritry izatsy, tsy misy zava-bita ny faritr’itony. Ny fanala-hidiny fanamapaha-kevitra mila zava-baovao toy izao dia miteny fotsiny amin’ny mpana-tanteraka fa izahay mila izao dia jerena. Ny fanotaniany maro dia hoe vitan’ny fitondrana tetezamita amin’izao ny trano ?. tsy any loatra ny tian’izy ireo hambara fa hoe tokony hahavita zavatra toy izao ve ny fitondrana tetezamita tao anatiny 1 taona sy sasany ? midika izany fa zavatra efa voavolavola sy niandry Sonia teo amin’ny fitondrana teo aloha fotsiny io trano io dia nantomboka. Izay ilay fandriasana andrikitra, tokony hisaorana arak’izany fitondrana teo aloha nahavita nahatsirao ny fahasahiranana mahazo ny polisy hatramin’izay. Vita ny cour d’appel, vita ny tranon’ny mpianatra eny amin’ny oniversite, vita ny lalana, angamba tsy fitia-tena intsony izany. Niova endrika I Diego, raha misy milaza fa hoe tsy nandroso I Diego, nanana ireo zava-bita ireo mety tsy mandainga izy. Fanampahana ruban fotsiny sisa no nataon’ny sasany, izany no natao hoe continuité dans l’affaire de l’Etat. Niala tery place kabary, mbola nimpetraka tamin’ny tronon’ny boudabay ihany tetsy amin’ny tanambao amin’ny avenue Philibert Tsiranana ny PJ. Efa tsy fantatra intsony ny hofan-trano 30 000 Ar sa 60 000 Ar ? Izao izy ireo nahazo trano ny azy vaovao. Trano rihana roa ary ao amin’ny rez-de-chaussé no hasiana any PJ sy PMPM na protection de Mineur et police de Mœurs. Hifampizarana ny efitra 7, mety efatra any PJ, telo any PMPM, mbola ady koa ny amin’io. Polisy ekonomika sy siantifika ao amin’ny rihana voahaloany. Ary police migration et renseignement, surveillance de territoire any amin’ny farany ambony. Isaorana ny nahàvita.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Vendredi 23 juillet 2010 5 23 /07 /Juil /2010 05:26

Efa ela ela ihany no nandrenesana ny honohonon’ny vahoaka, fianakavianan’ny marary, ireo izay avy nitsaboina tao amin’ny clinique saint damien ao Ambanja. Sendra ny namana ity mpanao gazety nifanena tamin’ny olona fantatra nitantara ny zava nisy tao. Satria tratrin’ny lozam-pifamoivoizana rehefa nintondra moto ka tsy maintsy niditra hopitaly. Fotoana ela ela tokoa izy tsy hita ka mba nanontaniana. Mpivaro-boky ny asan’ny ao Ambanja ao. Nanao herin’andro tao amin’ny Clinique izy tamin’izay. Sahirana sy mitaraina ny marary ao amin’ny Clinique nohon’ny hataon’ ireo mpiasa mikarakara marary. Hantsoina foana rehefa lany ny serum, eny, hatramin’ny rà efa miakatra any anatin’ny flacon vao tong any mpikarakara. Manginy fotsiny ny fanambatambazana harahin’ny vola. Efa nanao izany ao nefa tsy voa karakara foana. Tsy izao iray ihany no tratrin’ izany. Maro ny marary samy mitaraina toy izany. Amgamba misy olona any ho any nahazo fahafaham-po tao, fa izao sy ny olona teo ankaiky teo dia nitretre, hoy ity mpivaro-boky ity. Niandry telo andro vao natao ny fandidihana ny olona naratra voa tomboka antsy avy tany Anamborano ifasy. Talohan’izay dia tratrin’ny tsy fahaiza-miasan’ireo mpiasan’ny hopitaly io koa ny olona nentin’ity CB avy tany ity. Raha izay tokoa ny zava misy ao dia tokony misy fanatsarana ny fomba fiasa ao satria mitaraina ny marary.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Vendredi 23 juillet 2010 5 23 /07 /Juil /2010 05:23

Zava misy tsy honohono intsony ny fisian’io fitrandrahana zanakin’ny concombre de mer io ao amin’ny faritrin’ny Ambanja. Mianbina ny hahatratra izy io foana ireo avy amin’ny surveillance de pêche efa volana maromaro izay. Tsy toy ny harena voanjanaharin-tsika sasany hatao tantely afa-drakotra fidrandrahana ity zava-boaary iray ity fa miseho ary tena miasa ireo tompon’andraikitra hamogotra ny tsy rariny. Tratra teo Ambalavelona Ambanja ny lehilahy iray nitondra ny dingadingana mbola zanany avy tany amin’ny kominy Ambalahonko fokontany Ambiky ny sabotsy 19 jolay tokony tamin’ny 8 maraina. Vanga milanja 55 kilao saiky hentina halafo aty Diego raha vao navy nividy ilay ranamana. Tricot TX no hilaza ara-tsiantifika ny concombre de mer latsakin’ny 11 cm. Concombre de mer amin’ny vahiny, dingadingana aty avaratra, vanga any amin’ny toera-kafa samy anarana hilazana azy izany. Ny BPR na brigade police Routière teo Ambalavevola no nahatratra izao zavatra izao. Arakin’ny lalana anefa dia rarany ny mintrandraka ity Tricot TX ity arakin’ny Arrêté N° 525 tamin’ny 5 febroary 1975. Nipotehina ny vokatra rehefa avy natao “saisie” ka nariana teny amin’ny reniranon’ny Sambirano. Io ihany no mba sazy hazoni’reo olona tratra mandika lalana amin’io. Zavatra anisan’ny tsara sy lafo vidy ny dingadingana any amin’ny firenea aziatika, hatao sakafo izy io. Aty amin-tsika kosa dia tsy mbola mahalala loatra izany fa mbola tavela amin’ny fivarotana fotsiny. Mitohy ihany ny fanentanana hataon’ireo tompon’andraikitra mahakasika ny zavatra. Marihina fa olona mahazo miasa sy mitrandraka ny harena andranomasina tsara sy ara-dalana ilay ranamana tratra fa noho izy nitondra ny zvatra voarara no nanaovana ny saisie ny entany.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Jeudi 22 juillet 2010 4 22 /07 /Juil /2010 03:58

Nitombo efatra ny toerana hita hitradrahana ny volamena ao Ambilobe tamin’ity taona ity fotsiny. Taorian’ny tao Mantaly Maro ny betsiaka dia teraka koa ny tao Berabanja, 12 metatra, ary Ambilo. Samy ao amin’ny faritrin’ny Betsiaka avokoa izy ireo. Ny any amin’ny faritrin’ny Ambatoben’Anjavy misy vaky fatagna iray koa. Izany hoe vaky fatagna dia toerana nahitana volamena ka hivorian’olo. Arakin’ny vaovao azo avy eny dia mahavelom-bolo ny fahitàna ny volamena vokatra avy amin’ireo toerana ireo. Tamin’ireo toerana ao Betsiaka ireo dia efa nisy olona nahazo volamena milanja amin’ny kilao. Maromaro ny efa nahita izany I miliara fmg izany. Ireo tsy mbola nahita miliara sy kilao kosa dia tsy miala maina, satria mivelona tsara raha mahita 25 500 fmg isan’andro isan’olona. Izany no atao hoe mahazo iray desy. Tsy misy olona sahirana izany ka miala tsy misy zavatra azo. Any amin’ny faritrin’ny Ambatoben’Anjavy ihany no tsy mamokatra loatra hoy ireo mpintrandraka. 255 000 fmg ny vidiny iray gramme ny volamena any Betsiaka amin’izao fotoana izao.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Mercredi 21 juillet 2010 3 21 /07 /Juil /2010 03:53

Eny, malalaka ny tantsaha amin’ny toerana hivarotany ny vokatriny. Nefa ny zavatra tsara ho fantatra dia ny nanaovana ny hasima ao Ambilobe dia noho io hasy na cotton io hambolen’ireo tantsaha ao. Raha tsy hivarotra cotton amin’ny HASIMA ny tantsaha dia mety ho faty ny ny orin’asa. Tsy vitan’ny misy manodina amin’ny toeran-kafa ny hivarotana ny cotton dia mbola manararaotra ireo tantsaha koa amin’ny vdiny ambany ilay mpividy. Tamin’ity taona ity no nahatsapana izany zavatra hafahafa ity. Teo aloha, ny hasima dia misy fifanaraha tamin’ny tantsaha, izy no miantoka masimboly sy zezika ary ny mividy azy any aminy. Izay foana no fomba fiasa. Nandalo fahasahiranana ny Hasima tapaka mazava loatra ny fiaraha-miasa nisy taminy sy ireo tantsaha. Nihenahena ireo tantsaha tamin’ny toerana hivarona ny vokany. Tsy maintsy nandalo tamin’ny dingana nanome orin’asa tsy miankina amin’ny fanjakana ny hitantana ny Hasima, ka lasan’ny Geo cotton izany. Tao anelanelana tao dia nisy olona tao anatiny fikambanany mpamboly no nanodina ny lohan’ny tantsaha hivarotra ny vokany any aminy. Ny mahagaga koa anefa dia mody fanina amin’io zavatra io ireo mpitantana Malagasy mahalala izany ao amin’ny orin’asa Geo cotton. Mody manao tatitra diso toy ny hoe simba ny cotton tamin’ity taona ity. Potika noho ny orana sy afo, ratsy toerana ny cotton tany amin’ny tantsaha ka simba nefa ny antsasakiny cotton dia halefa halafo any amin’ny olo-kafa. Ny loza koa dia vidiny amin’ny 100 Ar ny kilao raha tokony 610 Ar izany. Ny tantsaha moa tsy mahalala izany fa hoe sahirana dia mivarotra. Fa arakin’ny loaranom-baovao dia any Port-berge no hivarotanin’ireto olona ireto ny cotton amin’ny 400 Ar ny kilao. Na izany aza dia mbola misy any ho any amin’ny 500 taonina ny cotton mbola tsy lafo any amin’ny tantsaha miandry fotoanany. Ny mahatsara azy mantsy dia fantatriny teknisianiny Hasima teo aloha ny vokatra hadrasany avy amin’ny tantsaha isan-taona.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Mercredi 21 juillet 2010 3 21 /07 /Juil /2010 03:50

Anisan’ny zavatra nanahirana ireo tantsaha any amin’ny faritriny SAVA ity resaka lavania ity efa ho 5 taona izay. Teo aloha dia lasa zavatra hifamonoana ny lavania noho ny vidiny ambony loatra ka lasa miteraka tsy fandriam-pahalemana. Tonga amin’ny vidiny ambany dia ambany ny lavania, mitaraina indray ny tantsaha satria tsy misy vidiny. Efa maro ny tantsaha mivarina mamboly zavatra hafa miala amin’io lavania io. Fa ireo mbola tavela kosa dia hiarany tsy fahalalana eny hatramin’ny fanambakana. Hataon’ny isan-taona ny colloque de la vanille, hamerana ny vidiny fa tsy maintsy izao no hividianana izany vanille izany any amin’ny tantsaha. Vita soaman-tsara ny an-tontan-taratarasy nefa tsy misy manaraka izany ireo mpividy. Sahiran-tsaina arak’izany ireo tantsaha, aiza marina izy ity, inona marina ny tena marina. Amin-tsika miteny izao, 2000 Ar hatramin’ny 3500 Ar no mba vidiny lavania manta mba sahin’ireo mpividy any amin’ny tantsaha. Ny tena mahasahy dia mividy amin’ny 3500 Ar io sady resy lahatra koa izy fa tsara ny vanille. Ny vanille tsara dia hita amin’ny endriny, lava sy geza. Misy kosa ireo manambaka ireo tantsaha dia mividy izany amin’ny 2000 Ar. Toy izany koa amin’ny vanille masaka misy mahasahy mividy amin’ny 6000 Ar htramin’ny 10 000 Ar. Izay rehetra izay dia mampitaraina ireo tantsaha sady mbola manjaka koa ny halatra vanille nanomboka tamin’ny nanaombohany campagne tamin’ny volana jiona teo.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Mardi 20 juillet 2010 2 20 /07 /Juil /2010 04:00

Efa volana maromaro izay, hamboarina ao amin’ny secren ny sambony cargo TINA. Efa nintondra sambo gasy antsoina hoe RAMENA koa izy talohan’ny TINA. Roa ora taty afara nilatsahan’ny tao anatin’ny rano, vao nisy nahita ny fatiny. Fa arakiny vaovao azo dia avy nisotrosotro I komandà tamin’io fotoana io. Ny zavatra ao anatin’ny rano koa anefa tsy fantatra, toy ny vy sy ny namany. Ny sambo anefa efa andalam-pahavitàna.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Mardi 20 juillet 2010 2 20 /07 /Juil /2010 03:59

Nahagaga, tsy fantatra inona ny antony nahatonga ny fahatarana ny fanampohahana ny afomanga tany amin’ny faritra sava. Tamin’ny sabotsy 17 jolay teo, mbola nahita izany afomanga izany ny Mponin’ Antahala. Tamin’ny herin’andron’ny 26 jiona vao nahita izany afomanga izany ny vahoakin’ny vohemar. Midika izany fa tanana vitsivitsy fotsiny no mba nahita izany ara-potoana. Manontany ny tena hoe, inona ny antony ? . mety fahataràna ny fahatogàvany tany antoerana ?, mety tsy fisin’olona mahalala manampoaka izany ? na koa mety tetika mba hahalalan’olona bebe kokoa any lehiben’ny faritra satria tiany ho tonga any antoerana izy amin’ny fanampohahana io zavatra io. Lehiben’ny faritra dia mila vato. Izany niseho tao Vohemar ,nandrasa tsy maintsy tonga izy vao mahita afomanga ny vahoaka. Ny tena olana dia maro ireo vahoaka niakatra taty antanan-dehibe mba hijery izany afomanga izany tamin’ny aliny 26 jiona, voatery tsy maintsy mody noho tsy fisiany.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Mardi 20 juillet 2010 2 20 /07 /Juil /2010 03:56

Farany teo, lozam-pifaoivoizana niseho teo anolohany fiangonana FJKM, olona telo naratra iray zaza kely. Mitombo isan’andro ny cyclo-posy nefa 13 fotsiny nahazo permis ara-dalana mitodra izany. Hatramin’ny be ny Tanana tratra mitondra moto tsy manao casque. Racolage hataon’ireo fiara mpitatitra olona nefa ny arabe tery feno mpivarotro amin’ny sisiny. Tsy mety tenenina intsony ireo mpivarotra satria misy olona mpitandro ny filaminana ambadika mahazo écolage. Ireo rehetra ireo tranga hita sy tratra tao anatiny herin’andro hentina hilazana fa gaboraraka ny fifamoivoizana ao Ambanja. Lozam-pifamoivoizana. Tamin’ny sabotsy tolak’andro tokony tamin’ny 3 ora, niseho ity lozam-pifamoivoizana ity. Fiara manao racolage, nandona olona mitondra bisikleta. Nimpitika ilay olona ary naratra tsaboina eny amin’ny Clinique, mpotika ny bisikleta. Nifansesy ny tranga avy teo, nandona olona nintondra moto teo aloha ilay fiara. Naratra ihany koa ilay mpitondra sy zaza kely nentin’ilay moto. Tsy vitany lalana efa tery, arabam-pirenena iray tokona mba lalana sokajina azo hivezivezena dia feno tsy fanajana lalana. Miseho isan’andro ny lozam-pifamoivoizana ao Ambanja amin’ity lalana ity noho izy be mampiasa, nefa ny mpandeha tongotra mi-style eo ambony arabe. Tery ny lalana. Efa tsy 15 metatra intsony ny fahalalahany lalalam-pirenena nohon’ny fisiana’ireo olona marobe mivarotra amoron-dalana. Manomboka any amin’ny tetezana hatrany bazary kely Tanambao V. Tery ny lalana, mihezaka ny kominy mandamina ireo olona ireo nefa misy miharo sy misy mamaly. Sarotro anefa hanala sasany nefa ny sasany tsy afaka. Tsipihina manokana eto ireo mpivatra eo amin’ny tokontanin’ny tranony mpiasan’ny paositra, eo amin’ny tokontanin’ny zandaro, eo amin’ny tokotanin’ny fonja. Ny fantatra anefa tany miaramila izy ireo ka tsy tokony hidirana nefa misy mandray ecolage miaro ireo mpivarotra ao. Fomba fanao efa mahazatra hataon’ireo lehibe mifanesy teo ny manaiky ny écolage. Dikan’izany dia mamaly tsy hiala ireo mpivarotra sasany satria ny namany tsy voakitika. Mirogatra ny cyclo posy. Mitonbo isan’andro ny cyclo posy miasa ao Ambanja tampon-tanana. 13 fotsiny ny olona mba nianatra mahazo alalana mitondra izany tao amin’ny Auto ecole avenir. Nefa efa 60 mihoatra ireo cyclo posy miasa ao amin’izao. Manampy trotraka amin’izay ny tsy fanarahan-dalana ny fifamoivoizana, miseho isan’andro ny loza. Nanadio ny polisy. Tezitra ireo tompon’andraikitra mba nanaitra ny olona fa misy lalàna ity tany ity. Nanomboka nanao operation ny polisy tamin’ny tinainy teo. Vokany, hatramin’ny be ny Tanana tratra mitondra moto tsy nitondra casque. Be ny Tanana avy aty Diego II izy io, mianpy ireo olona tsotra maro be tratra. Ezahina hitohy ny toy izany satria mba ho tetika hentina hanadio ny gaboraraka.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Dimanche 18 juillet 2010 7 18 /07 /Juil /2010 08:56

Hany sisa mba hevitra farany hamafazana vaovao avy amin’ny mpanohitra dia ny manamparitaka taratasy omena olona. Milaza ireto movansy telo tsy mitsahatra mivory mandinika ny hivohahana amin’ny krizy ary hametraka ny sata voasonia hitondrasana ny tetezamita dia tsy hijanona. Efa tsy lanin’izy ireo teny ambohalohany ny fijoroan’ny ray aman-dreny mijoro izany, ka nahafahan’izy ireo nonoratra hoe ray aman-dreny mijoro tsy voajôro tsy ekena. Mitaky ny fijoroana sy fitsaganana mahitsy tsara fa tsy mitongilana. Mitsangana mandray andraikitra ary mampianatra avy hatrany ny marina. Ray aman-dreny mijoro tokony ho manana hazon- damosina, manana hevitra manokana fa tsy hataon’ny sasany fitaovana hentina hanantanteraka fifidianana hahitany sasany tombotsoa manokana. Aiza ny vokatrin’ny assise regionale izay misy hevitra tena marina ? nefa toa didy jadona ihany no hitan’ny be sy ny maro mandrak’ity ny androany. Hoe tsy manaiky ny fanelanelanana hatoan’ny vahiny nefa ny Sonia natao aza tsy nasiana rariny. Raha tsy voa jôro ny ray aman-dreny dia tsy afaka mijôro ny taranany. Ny taranany dia ireo mpiray tanindrazana aminy. Tsy hanaiky ary hanejika ireo ray aman-dreny tsy voajôro ny movansy telo satria tsy mankasitraka ny mpanelanelana vahiny izy ireo.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Dimanche 18 juillet 2010 7 18 /07 /Juil /2010 08:51

Mitohy hatrany ny fanerena ara-politika hataon’ny movansy telo ato diego mba hampijoroana ny tetezamita tena izy. Anisan’izany dia tsy mitsahatra ary hitohy hatrany ny fanaovana taratasy fangatahana hamoriam-bahoaka eny amin’ny kominy sy distrika. Tsy kivy ary tsy reraka na dia tsy mahazo na havezivezy izy ireo. Ny tanjona amin’ny famoriam-bahoaka anefa dia ny hampita ireo vaovao mahaliana ny vahoaka manodidina ny raharaham-pirenena izay hafeniny haino aman-jerim-panjakana fa tsy hanaratsy olona na hanompa olona hoy ireo mpitarika movansy. Nihevitra hanao famoriam-bahoaka ny movansy telo teto diego tamin’ny sabotsy lasa teo (17 joaly) raha nametraka fangatahana tamin’ny robia 14 jolay. Nanaraka io fangatahana io I Atoa Manoely sy Richard tamin’ny zoma 16 jolay satria rahapitso ny fotoana. Tao amin’ny kominy no nametraha azy ka tao no nandehanana vohaloany. Nifampiresaka tamin’ny sekretera jeneraliny kominy izy mirahalahy. Maro ny resaka nivoaka fa indrindra ny hoe raha mbola eto amin’ny toerana izy SG dia tsy omeny, na inona hivoka sy hitranga, ny kianjan’ny 13 Mai na kianjan’ny demokrasia izany noho izy io hono intérêt publique. Io kianja io ihany ny kianja na toerana hangatahina ao anatiny taratasy. Nampisafidy toerana maromaro izy mba hosolony 13 Mai tsy omeny, dia ao amin’ny stade annexe, mitabe, ary ambadikin’ny gymnase. Lasa avy teo ny famezivezena. Ndaho anareo mandeha any amin’ny sefo distrika mangala “autorisation de manifestation” vao avy eo omeko ny toerana hoy SG ny kominy. Soa ihany fa tsy lavitra ny biraon’ny kominy ny toerana misy ny biraon’ny distrika. Soa ihany mba tratra tao amin’ny biraony ingahy sefo ditrika. Nilazaina taminy ny resaka tany amin’ny SG. Nilaza sefo ditrika fa lazao omeny kominy aloha ny toerana vao omeko ny autorisation. Sady ny taratasy fangatahana dia tsy maintsy hatao 5 andro mialoha hoy izy sefo ditrika tamin’ireo hiraka roa lahy ireto. Niverina tamin’ny SG indray nanomboka niakatra ny feo satria efa nanotany hoe anao moa mankasitraka io fitondrana io Atoa SG ? hoy atoa Manoely. Efa toy izay foana raha hangataka ny fahazaohan-dalana hanao fihetsiketsehana famoriam-bahoaka ny movansy telo eto Diego hatramin’izay. Havezivezy, hampijalina, hatao toy ny zaza kely, mety hampandihizina amin’ny vatomamy. Nilaza atoa Manoely tamin’ny teninny farany hoe, hametraka fangatahana indray izahay amin’ny manaraka ary tsy izahay roa ity fa maromaro izahay ho tonga aty aminao. Ary hatao confrontation anareo sy sefo distrika. Ho hita eo izay mandrebireby olona. Fantaro koa anie hoy Atoa Manoely ny zavatra hataonreo izao mety hataon’olona aminreo rahapitso.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Vendredi 16 juillet 2010 5 16 /07 /Juil /2010 05:16

Tsy ny ligue, tsy fanjakana eto antoerana, tsy ny orin’asa, tsy misy mpanampy toy ny fiara mandeha amin’ny alina tsy misy jiro ny fanatanjahan-tena aty avaratra. Ny mamtetika hivoahan’izany dia aminny fotoanan’ny handehanana hanao fifianinanana hiala Tanana. Eo ny olona manotany hoe “akory ny zaza maditry tsy hirogatra”. Tamin’ny fiadohan’ny volana jolay teo dia nandefa solon-tena hiatrika ny championat d’athlétisme ny club telo teto Diego. Tao HTTA, club izay tena zokiny indrindra, tao ACD, sy KOSDS. Tsy nitsanga-menatra ny faritra raha nahita ny vokatra nazo satria fahatelo teto Madagasikara, nahazo 8 volamena, 1 volafotsy ary 6 alimo. Nisy sokajy roa ny fifaninanana tany, tao ny championnat des jeunes ary ny championnat toute catégorie. Nanjakany HTTA tanteraka ny medaly satria izy ihany no nahazo volamena 6 tamin’ireo, izy ihany koa no nandefa athletes maro indrindra tamin’ireo avy aty (10). Tamin’ity fampadehanan’ ireo athlètes ireto no tena olona amin’ny fanatanjahan-tena. Nanantena ny zaza fa tao anatiny faha 50 taonan’ny fahaleovan-tena dia mba ho hisy fiara manokana hangala azy ireo hoany andrenivohitry hiatrika io championnat io, nefa lasa revo Malagasy ny eritreritra. Tsy toy nny nanafarana any dry kasav sy ny namany. Tsy nisy fanampiana kely akory mba nazo avy tamin’ny ligue sy ny federasiona na dia efa niady mafy tamin’izany, tamin’ny taon-dasa. Na izany aza anefa dia tsy nikely soroka ny mpitantana aty antoerana toy ny filohan’ny club HTTA sy ny biraon’ny nahita fomba ihany nandefasan ireo ankizy ireo. Sady efa nifanaraha ihany koa fa tsy maintsy nandeha izy ireo na inona ny zavatra hitranga. Ny fanatanjahan-tena toy atletisma dia toerana sy sehatra iray hanambeazana ny zaza, ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy latsakin’ny 18 taona ny 90 % n’izy ireo. Zaza mikiry sy maniry mba ho lasa lavitra amin’ny taranja io, mandritriny taona, mifoha maraina amin’ny 5 ora manao fanazaran-tena alohan’ny handehanana an-tsekoly. Feno ny fanantenan’izy ireo ho lasa matianina, nefa zarizary ny fanohanana. Ny maha zaza azy ireo dia mila izany fanohanana izany avy amin’ny ray aman-dreny (fiaraha-monina, mpitondra fanjakana….). fa indrindra ny mpitondra fanjakana satria izy ireo no tompon’ny reheraha amin’ny toerana niaviana. Tsy ny tanora ratsy fitondran-tena no tokony hampalaza ny toerana na faritra iray fa ireo izay miezaka indrindra ny miaro ny voninahitriny tokony hampiana. Tsy nataotao fahatany ny antso fanampiana ireo tanora ireo, na avy tamin’ny olo-tsotra, orin’asa, ary ny fitondrana. Na izany aza dia nisaorana ihany ireo nanampy toy ny orin’asa PFOI, VGA, SODAPI, ny mpitondra, HAT, faritra, ary ny fikambanana zanak’avatra.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Jeudi 15 juillet 2010 4 15 /07 /Juil /2010 05:08

Nanao “bilan” ny taom-pianarana lasa teo ny proviseur tamin’ity herin’andro handehan’ireo mpianatra hanao fialan-tsasatra. Voakasika tamin’izany ireo kilasy seconde sy première. Niakatra be ny tahan’ny famerenana kilasy tao amin’ny sekoly, sady nidina ny farim-pahaizana hoan’ireo nafaka. Nahatratra 20 à 25 % izany raha 75 % ny tahan’ny fiakarana kilasy. 5 % kosa ny tahan’ny fandrohahana noho ny antony maro. Nisedra olana maro ny lycee tamin’ity taona ity, fa indrindra ny tsy fahampiany trano fianarana. Raha mangala mpianatra 600 isan-taona ny lycee tany aloha dia nakarina 800 tamin’ity, nefa ny sekoly tsy nitombo. Tsy ampy ny trano fianarana tao, tsy ampy koa ny mpampianatra, niafy tao mba hahavitana ny taona izany. Raha ny tokony ho izy dia hampiana 5 ny efi-trano fianarana ao amin’ny lycee. Misy voka-dratsiny ihany ity demokrasia ity hoy ity hoy proviseur satria in-droa ny sekoly namaha ny olan’ny fitokonam-pianatra. Rehfa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ireo mpianatra dia mitangorona dia mitokona. Tsara ny demokrasia, tsara ny fanehoan-kevitra nefa lasa fomba fahazarana ny mi-grevo.. ireo izay voatery norohahina kosa dia noho ny famerenana in-telo ny kilasy iray sy ny fomba fitondràn-tena tao amin’ny sekoly tsy nendrika. Misy fiantraikany tamin’ny fianany mpianatra ihany ny krizy niainana satria maro amin’ireo mpianatra zanak’olona avy ambanivolo. Sahirana ny ray aman-dreny sahirana koa ny zanaka ka tsy afaka manohy intsony ny fianarany. Mitaky ny hampitoboana ny trano fianarana ao amin’ny lycee ingahy proviseur AtoaTavandra Albert.
Par Nosy lonjo Diego
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Créer un blog gratuit sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus - Articles les plus commentés